20/05/2008 ___________________________________________________
RAHARAHAM-PIRENENA
LAPAN’NY TANANA
Tsy hita tabilao ny governemanta
Tsy nisy tonga na ny praiminisitra na minisitra iray aza, nanatrika ny fanamarihana ny fanorenana indray ny Lapan’ny tanàna ny sabotsy teo. Teny avokoa ny olom-boafidy, ny masoivoho vahiny rehetra ary ny vahoaka, afa-tsy ny governemanta.
Fa nisy inona? Na minisitra iray aza tsy nisy tonga tamin’ny fanasan’ny ben’ny tanàna Andry Rajoelina hanamarihana ny fanarenana indray ny lapan’ny tanànan’ Antananarivo, 36 taona aty aorian’ny nahamay azy tamin’ny 13 may 1972. Nanaitra ny hambom-pon’Antananarivo ny fanamboarana indray ny lapan’ny tanànan’ Antananarivo. Vory lanona kosa anefa ny olom- boafidy sy ny masoivohom-pirenena maro samihafa, napetraka tamin’ny asabotsy 17 mey maraina tetsy amin’ny toerana nisy ity lapa ity fahiny ny vatofehizoron’ny fananganana ny lapa vaovao indray. Araka ny fanazavan’ny ben’ny tanàna Andry Rajoelina, nandritra ny kabariny no nilazany fa “ho roa taona ny faharetan’ny asa ary ny 50%’ny vola fananganana no efa eo am- pelatanana”.
Fantatra ihany koa fa 1 lavitrisa sy 200 tapitrisa ariary izany vola eo am-pelatanana izany ka nisy ny avy amin’ ny filoham-pirenena, Marc Ravalomanana, nisy avy amin’ireo malala- tanana avy eto an-toerana sy avy any ivelany. Mikasika ny fanatanterahana ny asa dia hisokatra ny tolobidy ampahibemaso, ho an’ireo mpandraharaha hanatanteraka ny asa. Raha ny ho firafitry ny lapan’ny tanàna indray dia nisy kely ny fanovana saingy amin’ny ankapobeny dia ilay endriny taloha ihany no haverina ary hatao manara-penitra. “ Maro ireo efitra ao anatiny, hisy hefitra hipetrahan’ny vakoka Malagasy sy trano azo andraisana fivoriana nasionaly sy iraisam-pirenena”, hoy I Andry Rajoelina.
VAVOLOBELON’NY DINGANA
Nampihetsipo ny vahoaka maro tonga nanotrona ity fametrahana vatofehizoro ity ny tonokalon’I Rado Andriamanantena, nitondra ny lohateny hoe “Firariantsoa”, Misy sombiny milaza fa “….Nijoro ny Andry n’Antananarivo, nitsangana I Andry Rajoelina …” ity tonokalo ity. Ny pasitera Andriamanjato Richard no ben’ny tanàna tamin’ny nahamay ny lapa ny 13 mey 1972 , dia naneho fohy ny fihetsehampony. “Tsy azo hadinoina ny lapan’ny tanàna satria mitahiry ny fiainan’ny firenena vavolombelon’ny dingana samihafa teto amin’ny firenena ity toerana nisy ny lapan’ny tanàna ity. Isan’ny nampalahelo ny nahamay azy satria maro ireo zava-tsarobidy tao anatiny, toy ny boky volamena izay nisy ny sora-tanan’ireo vahiny sy olo- manan-kaja rehetra. Isan’izany ny an’I jeneraly De Gaulle tamin’ny taona 1958” hoy izy.
Ireo nandray fitenenana rehetra moa dia nitsodrano an’I Andry Rajoelina avokoa. Ireo foto- kevitra telo hanatanterahana ny fametrahana ny lapan’ny tanàna kosa no netin’ny ben’ny tanàna Andry Rajoelina dia ny “Fihavanana, Firaisankina ary Fitiavana, ny fahaizana mifanolo-tanana sy ny fiarahana no tena hery lehibe, ary hampiasa ny fahaizako sy ny heriko aho ho fanatsarana ny tanàna. Haverina ny hasina sy ny voninahitr’Antananarivo” hoy izy. Ny lehiben’y faritra Analamanga, Fidy Ratsimbazafy kosa dia niala tsiny tamin’ny tsy fahafahan’ny mpitondra sy ny praiminisitra lehiben’ny governemanta. “Midera ny tanan’ Antananarivo aho amin’izao fanamby lehibe ataony izao….” Hoy izy. Alohan’ny nametrahana ny tsangambato teo amin’ny toerana hananganana ny lapa dia naseho sy ho endrik’ izany lapa izany ary hipetraka eo an-kalamanjana eo izany mandra-pahavitany.
Patrick Mahefa
------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------
RAHARAHAM-PIRENENA
KAONGRESIN’NY TIM
Andrasana ny hifidianan’ny mpikatroka fototra an’I Yvan
Andrasana mandritra ny kaongresy nasionalin’ny Tiako I Madagasikara hotanterahina ny alarobia izao eny amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena ny hanamafisan’ireo mpikatroka fototra, solotena isaky ny distrika amin’ny toeran’ny filoha nasionaly an’I Yvan Randriasandratriniony. Efa naneho rahateo ity farany amin’ny fahavononany hilatsaka hofidiana ho filoha nasionalin’ny antoko eo amin’ny fitondrana izay “tsy misy ny olana raha fidian’ny mpikatroka”, hoy izy . “Ilaina ny feon’ny vahoaka eny ifotony ary izay no nisafidianana ny hoe ireo olona voafidim- bahoaka ary tena manana ny fitokisan’ny vahoaka eny an- toerana no hanatrika ity kaongresin’ny TIM ity”, hoy ny fanazavan’ny sekretera jeneralin’ny antoko Ivohasina Razafimahefa, omaly nandritra ny fandaharana iray tao amin’ny onjam- peom-pirenena.
Anisan’ny mety ho voaresaka amin’ity kaongresin’ny Tim ity ihany koa ny mikasika ireo “Tim sadasada”, araka ny filazan’ny mpikatroka sasany azy. Mahatsiaro ho voailika ireo mpikatroka Tim hatramin’ny voalohany. “Tsy sanatria fanaovana tsinotsinona ireo mpikatroka hatramin’ny 2001-2002 ny fanokafan’ny Tim ny varavarany fa vao maika fanomezan-danja ny foto-kevitra nijoroan’izy ireo tamin’izany dia ny hoe “Tiako I Madagasikara dia ho fitaovana ho amin’ny fampandrosoana” ,hoy ny valitenin’I Ivohasina Razafimahefa.
Ity tompon’andraikitry ny Tim ity dia mandrangaraga izay fampandrososana izay ihany no masontsivana amin’ireo fiarahana amin’ny olona hafa fironana teo aloha . “Antoko malala- tsaina , ary mieritreritra ny ho iza no olona hampandroso ny Tim”, hoy izy .
MR
------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------
FIARAHA-MONINA
FAHASALAMANA
Tsy anatin’ny tetiandron’ny fanjakana ny aretin’aty
Betsakany taham-pisian’ny aretin’aty eto Madagasikara . Anio no ankalazana ny andro eran-tany ho an’ity aretina ity eto amintsika. Tsy misy fanamarihana ofisialy momba izany anefa ny fanjakana
Misoko mangina nefa mety mahafaty ny aretin’aty na ny Hepatite .Ambony be ny taham- pisian’io aretinaio eto amintsika kanefa vitsy no mahalala fa voany , indrindra ny any ambanivohitra , raha ny tarehimarika dia 5% n’ny mponina ambanivihitra no mitondra ny tsimokaretin’ aty B raha tafakatra 25% any ambanivohitra . 1,6 % n’ny mponina amin’ny ankapobeny kosa no mitondra ny tsimok’ aretin’aty C Raha nankalazana ny andro eran-tany ho an’ ny aretin’aty anio , dia fantatra fa tsy nisy fanamarihana ofisialy mombaizany eto Madagasikara, tsy tahaka ireo aretinamahafaty maro.
Ny fikambanana ivondronan’ireo mararin’ny aretiin’aty eto Madagasikara na AMLVH, vao niforonavolana vitsivitsy izay, no hany mikarakara hetsika mifandraika amin’izany anio . Tsy dia mifanalavitra amin’ny aretina Sida anefa n any aretin’aty B na C “sady mety hihombo ho lasa homamiadana na ihany koa ilay aretina fivotosan’ny kibo sy tongotra antsoina hoe sirozy rehefa tsy voatsabo ire areti’ aty roa ireo . Avy amin’ny alalan’ny ra , ny firaisana ara- nofo ary ny fifindran’ny aretina avy amin’ny reny makany amin’ny zaza ao am-bohoka no hahazoana ny tsimok’aretina”, araka ny fanazavan’ny Dr Ramanampamonjy Rado Manitrala, hany mpitsabo manokanan’ny aretin’aty eto Madagasikara.
RR
19/05/2008 ___________________________________________________
RAHARAHAM-PIRENENA
VILLA ELIZABETH
Nisendoatra ny profesora Zafy Albert
Tadiavin’ny fanjakana hanaovana birao ny tokotanin’i profesoraZafy Albert etsy amin’ny villa Elisabeth, Ivandry. Raisin’ity filoha teo aloha ity ho fanaovana tsinotsinona azy izany.
Omaly maraina dia nampahafantatra ny mpanao gazety, teny amin’ny villa Elizabeth Ivandry ny profesora Zafy Albert fa misy mandrefy tsy misy filazana taminy akory ny tany manodidina ity trano nomen’ny fanjakana ipetrahany ity. Efa ho iray volana izay dia in-droa tonga teny an- toerana ny “Inspecteur d’ etat” sy ny mpandrefy. “Tsy nisy akory ny fampandrenesana ahy, fa avy hatrany dia miditra sy mandrefindrefy ary mametraka baorina eto an-tokontany izy ireo ary amin’izay indray amin’ny fotoana tsy maha eto anay”, hoy ity filoham-pirenena teo aloha ity. Ho an’ny profesora dia fanaovana tsinotsinona azy izao atao izao.
Raha ny fanazavana azo tamin’ny mpiandry tanàna sy nandray ireo olona tao amin’ity villa Elizabeth ity, dia nilaza ireo olona nandrefy sy nametraka baorina fa iraka avy amin’ny fanjakana fa hanaovana birao ny manodidina ny trano. “Amiko dia trano natokana ho ahy tamin’ny naha Filoham-pirenena ahy teo aloha ity ka mandra-pahafatiko vao tsy manana zo amin’izany intsony aho”, hoy ihany I Zafy Albert. I Thérèse Zafy, vadin’ny profesora koa dia nanamafy fa “efa in-droa izahay no nangataka ny hanamboarana ity trano ity tany amin’ny fanjakana nefa tsy nisy namaly hatramin’izao”. Voalazany ary hita maso fa efa mitete avokoa ny ao anaty trano, ny ety ivelany moa dia efa komavoka tanteraka ny loko.
Hanongotra baorina
Raisin’ny profesoraZafy Albert misy ambadika politika izao raharaha izao. “Fandrahonana, fampitahorana ary tsy fahatantesana demokrasia no fandraisako iao. Ny fisian’ny fivorian’ny mpanohitra ato amiko no hitako ho antony iray mahatonga izao filam-baniny amiko izao. Efa fantatra hatramin’ny voalohany fa mmpanohitra anefa ary tsy maintsy hivorian’ny mpanohitra ny tranoko! Hoy izy. “Rehefa tsy hifanaja ihany, dia hongotako koa ireo baorina napetraka ireo satria manan-jo malalaka aty amin’ny tranoko aho”, hoy ny profesora Zafy. Efa tamin’ny taona 1996 ny profesora no nomena ity trano ity. Talohan’izay dia trano nipetrahan’ny minisitra maro samihafa tamin’ny andron-dRatsiraka ity toerana ity. Ny niatombohan’ny “villa Elizabeth” moa dia trano nisy ny masoivohon’ny Angletera teo aloha ary izay no nitondrany ny anarana hoe “ElizabethII” ho an’ny tompon’andraikim-panjakana izay nanontaniana dia nilaza fa “manana zo amin’ny fananam-panjakana ny mpitondra”. Ny tena olana anefa dia tsy ny lalàna velively fa ny fifanajana amin’ny fitondrana sy ity Filoham-pirenena teo aloha ity mihitsy .
Patrick Mahefa
------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------
RAHARAHAM-PIRENENA
125 TAONA ATY AORIANA
Hihamafy ny fiaraha-miasa eo amin’I Madagasikara sy Alemana
“Vao maika mihamafy ny fiaraha-miasa eo amin’I Madagasikara sy Alemana, 125 taona aty aorian’ny nanaovana sonia ny taratasy fifanekem-piaraha-miasa voalohany teo amin’ny tany roa tonta” hoy ny nambaran’ny minisitrin’ny raharaham-bahiny Malagasy, Marcel Ranjeva. Ny 15 mey 1883 tamin’ny 1 ora sy sasany no nanao ny taratasy fifanekem-piaraha-miasaeo amin’ny Madagasikara sy Alemana ireo iraky ny mpanjaka Ranavalona faharoa sy ireo mpitondra Alemana tamin’izany fotoana. Roa andro taorian’io no nandraisan’ny Amperora Guillaume Ian’ireo iraka Malagasy.
Izay tsingerin-taona izay no nankalazaina teny amin’ny villa Berlin, omaly atoandro teny Ambatoroka. Nomarihan’ny masoivohon’I Alemana eto amintsika, ny Dr Wolfgang Moser fa anisan’ny voasoratra ao amin’ity taratasy fifanekem-piaraha-miasa teo amin’I Madagasikara sy Alemana ity ny handoavan’ireo taranaka aty aoriana izany. Notsipihany rahateo fa ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny Malagasy ankehitriny, dia taranaky ny iray amin’ireo iraky ny mpanjaka Ranavalona faharoa nakany Alemana, 125 taona lasa izay. Raha ny amin’izao fotoana dia I Alemana no manampy eo amin’ny lafiny vola an’I Madagasikara fahatelo ho fampandrosoana, aorian’I Frantsa sy Etazonia. Hatramin’ny 1962 dia vola mitentina hatramin’ny 366 tapitrisa euros no efa azon’I Madagasikara tamin’ni Alemana ary mbola nisy fanampiana vola mahatratra 4,5 tapitrisa euros nomen’ity firenena ity an’I Madagasikara ho an’ny taona 2007/2008. Mifototra bebe kokoa amin’ny fikajiana ny tontolo iainana ny fanampiana omen’I Alemana.
MR
------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------
FIARAHA-MONINA
FIAINAN’NY MALAGASY
Mampatsiahy ny tantaran’ny zanak’Israely tany Egypta
Miarahaba antsika mpamaky rehetra, izao no mba tsy aritra manoloana ny ezaka ataon’ny mpiasa Malagasy , ny marina kokoa dia ny fiaretana ny maharary, ny tsindry hazolena ataon’ireo lehibe sasany, ny fanaovana tsinotsinona ny zon’ireo mpiasa toy ny fampiasana alina nefa tsy andraisana amboniampanga, ny fampiasana ireo vehivavy amin’ny alina amin’ireo orinasa tsy miankina maro, sns…
Ankoatran’izany tsy hita ho tanisaina eto ny manjo ireo tantsaha maro miady mafy amin’ny hanoanana sy ny tsy fandriam-pahalemana any ambany ravin-kazo any sns…Raha fintinina dia kely tsy mifanaraka amin’ny asa atao ny karama na valin-kasasarana raisin’ny mpiasa sy ny tantsaha Malagasy.
Miasa mafy- Miasa tsara
Na dia efa kely karama aza ny mpiasa ny Malagasy, dia mbola amporisihina hiasa mafy hiasa tsara ary hiasa mafy hatrany. Moa va tsy mitovy tamin’ireo zanak’Israely, tsy nomena fitaovana enti-manao biriky tsy maintsy novitaina tao anatin’ny iray andro. Mba asondroty kely 10 na 12% indray ny karama nefa avy eo tsy ela akory aorian’izay dia efa misondrotra 50, 60 eny 100% aza ny entana ilaina andavan’andro ary dia tena tsy nisy dikany, tsy hitan’ny vazan’aina akory ilay fisondrotan-karama 10 na 12 %. Fampahoriana tsy misy hoatran’ity ka izao no mba hafatra ho antsika Malagasy. Ny zanak’Israely matoa navelan’Andriamanitra niharan’izany fampahoriana lalina izany dia satria nanota tamin’Andriamanitra. Valin-kelony dia ny mbola eto an-tany izany mba hitarihan’Andriamanitra azy hibebaka ary tsy ho very mandrakizay. Tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay io Andriamanitra io, ka tsy misy valaka ami’izany ihany koa ny fitondrany antsika Malagasy ankehitriny. Tiany hovonjena isika tahaka ny nitiavany ny zanak’Israely ka namonjeny azay niditra tao amin’ny ranomasina mena dia aoka hahalala hiverina amin’I Jesoa Kristy isika Malagasy mba hahatanteraka ny famonjena, ary tsy ho ela izany raha mody haingana ny saintsika sy mibebaka amin’ny fahotantsika .
Kristianina Mpitily
17/05/2008 ___________________________________________________
RAHARAHAM-PIRENENENA
Tsy mbola marisika hanova ny lalàm-pifidianana ny fitondrana
Tsy dia rototra loatra amin’ny fanovana ny lalàm-pifidianana ny Filoham-pirenena raha raisina amin’ny valin-teniny, teny Andranomena. Tokony hojerena akaiky amin’izay ny momba io, hoy ny Kmf/Cnoe.
Tsy ho amin’ity volana mey ity mihitsy araka ny efa nambaran’ny Filoham-pirenena tamin’ny taondasa no hanatanterahana ny fanitsiana ny lalàna mifehy ny fifidianana. «Toa nahemotry ry zareo indray ilay izy. Efa vita daholo koa ny fifidianana ary afaka dimy taona indray vao hisy », hoy ny filoha Ravalomanana omaly antoandro raha nohararaotina nanontaniana mikasika an’izay taorian’ny fitsidihany ny foara iraisam-pirenen’i Madagasikara teny Andranomena.
Manjavozavo tanteraka ny valin-tenin’ny Fioham-pirenena ary tsy maneho fahavononana hiroso amin’ny fanitsiana ny lalàm-pifidianana izay mihitsy. « Efa nolazaina tany am- boalohany fa tery ny fotoana satria mbola ao anatin’ny fanantanterahana ny fifidianana. Amin’izao fotoana izao dia efa vita avokoa ny fifidianana rehetra ka izao indrindra no tena tokony hijerena akaiky ny mikasika izay lalàm-pifidianana izay. Mbola manana fotoana lavalava rahateo mialoha ny fifidianana ho avy”, hoy ny fanehoan-kevitr’I Bruno Rakotoarison sekretera jeneralin’ny Kmf/Cnoe.
Ny eo anivon’ny fiarahamonim-pirenena, araka ny nohamafisin’ity farany dia hanao ny ezaka hahatongavana amin’izay fanatsarana ny tontolon’ny fifidianana izay. “Maka ny hevitra hatrany amin’ny fototra izahay ary misy ireo efa tonga, misy ireo mbola eo am-panangonana izany. Ny tena noeritretreretina anefa dia ny fanjakana mihitsy no hanao ny fakan-kevitra rehetra”, hoy ihany ity tompon’andraikitra eo anivon’ny komity mpanaramaso ny fifidianana ity. Ny mompera Raharison Alain Thierry, “assistant ecclésiastique” eo anivon’ny “justice et paix” izay sampana misahana ny fiainam-pirenena sy ny fifidianana eo anivon’ny fiangonana Katolika, dia tsy niolaka fa “mampieritreritraihany ny fombafomban’ny fitondrana”.
Hisarihana olona fotsiny
“Efa nisy ireo tolo-kevitra avy amin’ny ankolafin’olona maro nefa tsy nisy noraisina ireny. Tsy nety tafapetraka ihany koa, ny sehatra iray lehibe hakana ny hevitry ny ankolafin-kery samihafa. Ny fifidianana no naroso nefa efa voabaiko mialoha ihany koa ny vokatra na tsy mivantana avy any ambony tanteraka aza. Lojika amin’ny hevitra nametrahana ny lalàm- panorenana izay token-doha ihany izao tsy fanovana ny lalàm-pifidianana izao”, hoy ihany ity tompon’andraikitry ny “justice et paix” ity. Ranjivason Jean Théodore, isan’ny lohandohan’ny mpisorona eo anivon’ny fikambanana Matsilo dia mihevitra mihitsy fa “tsy hanova io lalàna mifehy ny fifidianana io akory ny fitondrana na dia ho avy aza ny dimy taona manaraka”. “Efa nampoizina ihany ny fihetsiky ny fitondrana satria ny fanambarana hanova ny lalàm- pifidianana dia noentina hisarihina ny olona fotsiny ihany” hoy ihany ity minisitra teo aloha ity .
Ny minisitra Ivohasina Razafimahefa, sekretera jeneralin’ny Tiako I Madagasikara, dia niolaka ihany raha namely ny fanontaniana mikasika izay fanitsina ny lalàna mifehy ny fifidianana izay. “ Angamba ny mpahay lalàna no tsara anontaniana izay” hoy ity farany. Ny mazava anefa dia ny finiavana ara- politika no tena takiana amin’ny firosoana amin’ity fanatsarana ny lalàna mifehy ny fifidianana ity sy ny tontolon’ny fifidianana amin’ny ankapobeny.
Mompera Raharison Thierry dia sahy nilaza mihitsy fa “sarotra ny famisy ny demokrasia eto amintsika amin’izao fotoana izao”. Anisan’ny noantitraterin’ny Ffkm tamin’ny hafatra Pantekoty farany teo ny mikasika ny fanitsiana ny lalàna mifehy ny fifidianana izay. Etsy an- daniny ny masoivohon’ny vondrona Eoropeanina eto Madagasikara, Jean Claude Boidin dia naneho, nandritra ny fankalazana andron’ny Eoropa ny 9 mey lasa teo, ny faniriany amin’ny hitohizan’ny dinika ara-politika eo amin’ireo mpiara-miombon’antoka vahiny sy Madagasikara handinihana manokana ny mikasika ny fitsinjaram-pahefana ny tontolon’ny fifidianana.
MR
------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------
RAHARAHAM-PIRENENENA
FRANTSA
Hihetsika ireo mpanao politika Malagasy eto Frantsa
Nandritra ny taona maro no nangina tsy niloa-bava ireo mpanao politika voaenjika tamin’ny raharaha 2002. Fantatra izao fa manomana hetsika lehibe hotanterahina ao Paris izy ireo amin’iny herinandro ho avy iny. Araka ny fampitam-baovao voaray mantsy dia nisy ny fiaraha- misakafo nataon’ireo tamin’ny fetin’ny Pantekosta iny .
Voalaza fa maro ireo mpitondra teo aloha no nikaondoha tamin’izany ary voatonona tamin’ny fitarihana ity hetsika atao ao Paris ity ny anaran’ny Praiminisitra tamin’ny fitondran’ny amiraly Didier Ratsiraka farany teo. Tsy re tsaika tamin’izao fihaonana izao ingahy Pierrot Rajaonarivelo. Nilaza ny olona akaiky azy fa “tsy hoe tsy hanao na inona na inona intsony izy fa mbola mandinika aloha. Ahoana moa izy no tsy hietsika manoloana izao fahoriana mianjady amin’ny vahoaka izao?, nanambara izy ireo fa “na tsy nandefa fitarainana sy tatitra ireo Malagasy any Madagasikara dia efa tsy takona afenina intsony ny fahoriam-bahoaka na amin’ny alalan’ny gazety mandeha amin’ny tranokala izany, na amin’ny alalan’ny tatitr’ireo Malagasy mandalo aty Frantsa”. Ny 13 mey teo no nanao hetsika teny amin’ny kianja’ny “Trocadero” izy ireo ary nilanja sora-baventy manakiana ny mpitondra noho ny fahorian’ny vahoaka eto Madagasikara. Ny tsy fantatra fotsiny dia ny ho fiantraikan’izao fihetsiketsehana ataon’izy ireo izao amin’ny mponina eto Madagasikara.
PM
------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------
FIARAHA-MONINA
FIM 2008
Vonona hanampy ireo mpandraharaha ny filoham-pirenena
Ny fanambaran’ny filoha Ravalomanana Marc amin’ny fahavononana hanampy ny mpandraharaha Malagasy amin’izay no tena nisongadina tamin’ny lanonam-panokafana ilay hetsika foara iraisam-pirenen‘i Madagasikara na FIM 2008 teny amin’ny Futura Exhibitation Park teny Andranomena omaly. “Mila mihetsika ianareo manoloana ny fifaninanana, indrindra ao anatin’ireo vondrom-paritra isan-karazany misy antsika toy ny COI na SADC. Aza matahotra fa tsy hijery fotsiny anareo aho”, hoy ny filoham-pirenena Malagasy.
Anisan’ny noantitrateriny ny hanomezana vahana manomboka izao ireo mpandraharaha Malagasy. Nampatsiahiviny mazàna anefa ny tokony hananan’ny mpandraharaha ny toetra matihanina. “Tsy misy mpandraharaha mahavita tena izany koa eto. Raha manana olana ianareo dia aoka hifanantona fa tsy manary anareo ny fitondram-panjakana”, hoy ihany izy. Nilaza tsy am-pihambahambana ny tenany fa tsy hiafihafy intsony hanampy izay mpandraharaha vonona.
Nankasitrahan’ny Filoha Ravalomanana ny fahatomombanan’ny fikarakarana ity hetsika FIM 2008 ity. Trano heva 200 ahitana mpandray anjara 300 avy amin’ny firenena 12 no mampiranty ny vokany etsy Andranomena. Marihina fa sehatra iray ifaneraseran’ny samy mpandraharaha avy eto an-toerana sy avy any ivelany, ary koa fisitonana mpampiasa vola vahiny eto Madagasikarano tena anisan’ny antom-pisian’ity FIM 2008 ity. Ny alahady 18 mey izao vao hifarana izany hetsika izany.
RR
16/05/2008 ___________________________________________________
RAHARAHAM-PIRENENA
FANKALAZANA NY 13 MEY
Nihetsika ireo Malagasy tany andafy
Raha tsy nahitana fihetsiketsehana teto Madagasikara ho fankalazana ny 13 mey dia ny Malagasy tao Paris indray no nanao fihetsiketsehana. Teo amin’ny kianjan’ny “Trocadero” izay tsy manalavitra ny “tour Eiffel” no nisian’ity fihetsiketsehana ity. Nahitana ireo mpitondra sasantsasany teo aloha, tamin’ny fitondrana Ratsiraka.
Tsy ireo Malagasy ihany anefa no niara-naneho sy nitsangana nankalaza ity fety 13 mey ity fa nahitana ireo vahiny maro samihafa fihaviana, izay mahafantatra an’I Madagasikara hatramin’izay ka hatramin’izao. Mavesatra ny fanehoan-kevitra nasehon’izy ireo tamin’izao ka isan’izany ny filazana fa “tsy tena misy loatra ny demokrasia eto Madagasikara. Voaelingelina ny mpandraharaha ekonomika ary mahatsapa fa voakenda mihitsy aza”.
Mikasika ireo fanampiana avy amin’ny firenena matanjaka indray, dia nilaza ireo diaspora Malagasy nanao fihetsiketsehana tao paris fa “arakaraka ny fanampiana miavosa azon’I madagasikara no toa voa maika mampitombo ny fahatrana”, nahery setra ihany koa ny filazan’izy ireo fa “tsy mahasoa an’I Madagasikara ny fitondrana jadona mitranga ankehitriny ary tsy mahomby ny fitondrana amin’izao fotoana izao”.
Patrick M
------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------
RAHARAHAM-PIRENENA
JENERALY FIDY
“Fitaka daholo ireny nataoko ireny”
Niaiky ny jeneraly Randrianafidisoa, omaly nanoloana ny fitsarana ady heloka bevava fa meloka tokoa ny tenany raha arahina ny pitsopitson’ny lalàna . Fitaka anefa no namaritany izany fihetsiny tamin’izany
Iny no fitaka bevava nataoko teo amin’ny fiainako, hoy ny jeneraly Randrianafidisoa nanoloana ny Fitsarana ady heloka bevava omalyraha namaly ny fiampangana azy mikasika ilay raharaha teny amin’ny Bani Ivato ny alin’ny 17 hifoha ny 18 novambra 2006 izay nanambarany ny fakan’ny miaramila ny fitondrana. “Nisy olona maty tamin’iny raharaha iny, mbola tafiditra tao anatin’ilay fitaka ihany ve izany? Hoy avy hatrany ny fanontanian’ny Filohan’ny Fitsarana avy eo.“ Nampalahelo ahy ny nisian’iny miaramila namoy ny ainy iny ary mahatsapa tsar a izany aho”, hoy indray ny jeneraly Fidy.
Mbola nanontany ny mikasika izay fitaka izay ihany avy eo ny mpisolo vava iray. “Tsy tokony hahafehy ny fitaka ataony ve ny mpamitaka iray?, hoy ity farany. “Tsy nanantena aho raha tsy niantso miaramila dia ho avy tokoa izy ireo”, hoy ny valin-tenin’I Randrianafidisoa.
Niaiky ity isan’ny nitaritafika tany Andohanatady tamin’ny 2002 ity fa “raha jenera amin’ny pitsopitson’ny lalàna dia meloka tokoa izy”. Nanizingizina mafy ihany koa anefa ny tenany fa “fandraisana andraikitra amin’ny maha manamboninahitra azy no nataony”. Tamin’ny 4 ora sy 5 minitra tolakandro vao tapitra ny fandaharan’ ity tale jeneralin’ny Omnis teo aloha ity sy ny famaliana ny fanontanian’ireo mpitsara sy mpisolovava, raha tokony ho tamin’ny 11 ora latsaka fahefany izy no nandray fitenenana. Nialoha izay dia namaky ny antontan-taratasy fanenjehana ny avy amin’ny Fampanoavana.
Raharaha 2002
Nanao fangatahana ny Me Raherimandimby teo am-piandohana fa tsy mahefa hitsara ity raharaha ity ny fitsarana ady heloka bevava fa tokony ho an’ny fitsarana miaramila no iandraikitra izany. Namaly anefa ny Fampanoavana fa tany am-piandohanan’ny fanenjehana dia tokony efa naroso izany fa fa tsy amin’izao fotoam-pitsarana izao intsony..Ny fandraisana fibaikoana tsy araka ny lalàna sy ny fanoherana ny tafi-panjakana na ny firaisana tsikombakomba tamin’ireo no vesatra anenjehana ireo 9 lahy voampanga tamin’ity raharaham-pitsarana ity. Ny kolonely iray dia mbola any am-pitsoahana amin’izao fotoana izao. Raha ny fandaharan’ny jeneraly Randrianafidisoa manokana dia nafampana mihitsy io omaly io. Niverina matetika tamin’ny raharaha 2002 hatramin’ny raharaha nahakasika ny kolonely Bréchard Rajaonarison ny jeneraly Fidy nandritra ny famaliana ireo fanontaniana. Nampiaka-peo ny avy ao amin’ny fampanoavana mihitsy aza ny ny filazany fa “tsy mahazo ny “feeling” miaramila ireo mpitsara” “feeling mpitsara no atao eto” , hoy ny avocat general” hentitra dia hentitra.
“Sambory ny mitabataba”
Tetsy an-danin’izay dia nampihoraka sy nampitehika ny olona sasany tao anatin’ny efitrano fitsarana ny filazan’ny jeneraly Randrianafidisoa fa “raha ny fifehezana tokoa no narahina dia tsy tokony ho nanampy an- dRavalomanana akory ny tenany nanafika an’ Andohanatady” “Iny no tena fanonganam-panjakana satria mbola nanana fahefana ara-dalàna ny fitondrana Ratsiraka” hoy izy. Voatery nampitandrina mafy ny avy amin’ny Fampanoavana amin’ny hanaovana ny fitsarana tsy azo atrehan’ny rehetra raha mbola miverina ny fihetsik’ireo mpanatrika sasany. Nanamafy izany ihany koa avy eon y filohan’ny Fitsarana. Nisy mihitsy avy eo ny baiko nomen’ny “avocat général” ireo miaramila hisambotra izay mitabataba.
Ny nohizingizinin’ny jeneraly Fidy nandritra ny fandaharany dia voalazany fa tsy nisy fandraisana andraikitra avy amin’ny kolonely Ramarosandratana Rafiliposon, lehiben’ny toby miaramila Bani Ivato tamin’io andron’ny 17 novambra 2006 io. Ny Fampanoavana anefa dia nanipika fa “noho ny fitazonan’I Jeneraly Fidy sy ireo naira-dia taminy an-keriny ity manamboninahitra ity ary nisian’ny fandrahonana azy mihitsy aza no tsy nahafahany nanome baiko na inona na inona”. Mbola hitohy anio ity raharaham-pitsrana ity.
MR
------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------
SAMIHAFA
TSY MITSARA NY MPITONDRA FA MITSARA TENA
Miarahaba antsika rehetra. Na manao ahoana na manao ahoana ny fiheverana ny tsy fandehanan’ny fitondrana ny firenena dia aoka ho tsapantsika fa tsy misy fahadisoan’ny mpitondra izany.Tsy tokony omentsika tsiny izy ireo, satria tena sitrapontsika no nifidy ka mametraka azy teo amin’ny fitondrana tamin’ny alalan’ny fifidianana. Mba diniho ilay teny malaza manao hoe “aza matoky olona”. Misy aza ny fanazavana lalindalina manamafy izany manao hoe “aza matoky mpanjaka, na ny rainao, na ny reninao, na ny vadinao ,na ny zanakao, na ny rahalahinao. Ny olona rehetra mihitsy noho izany no tokony tsy hitokisana. Mpivadibadika tokoa mantsy ny olona ka ny tsara dia ny mivavaka ho azy ihany. Maro amintsika moa ny manao hoe “ka ny toky sy ny fampanantenana nataony anie no tena antony nifidianana azy sy nandrotsahana vato ho azy. ka nahoana ary izy no tsy azo omen- tsiny aty aoriana rehefa tsy mahavita ?. Misy marina kely ihany izany, saingy raha ny marina amin’y maha olombelona dia tsy tokony ahatoky azy, araka izay nolazaiina tetsy ambony. Vavan’ny te hahazo seza ny azy fa isika vahoaka no mila misaina. Tsy in’droa tsy in- telo anie isika vahoaka no efa voafitaka fa efa im-betsaka e! fa isika vahoaka mihitsy no tsy mahay misintona lesona na entanim-po angaha ary tsy sasatra manao soron’afon’ilay jamba ka voa hatrany vao mihilana.
Mila mandinin-tena
Azo lazaina noho izany fa mora hajambaina isika satria mora entanim-po tsy mahalala ny sangodim-panina politika , ka izao ary ny vahaolana haroso ho antsika.
Isika vahoaka mihitsy no mila mitsara tena, mandinika ny fomba fanao tsy mety hatramin’izay ary mila miala, amin’izany, mila mahay mametraka ny firenentsika amin’Andriamanitra marina isika ary mila manao ny sitrapony. Tia antsika loatra mantsy io Andriamanitra io, fa isika no minia manao miavonavona Aminy na dia mameno Fiangonana isan’Alahady aza. Mihevitra an’Andriamanitra ho masiaka sy tsy refesi-mandidy loatra mantsy isika/ Tsy izany velively anefa fa tena tsara fanahy amintsika izy io, fa raha marina izany fiheverantsika izany dia efa tsy toy izao I Madagasikara, fa potika tahaka ny firenen-kafa any Afrika sns…, indrindra raha amin’ny maha voalohany antsika amin’ny fitenenan-dratsy sy ny fisotroan-taoka izany. Saingy mbola misy ny tena mivavaka eto ka mampilamin-dratsy antsika toy izao.
Tsarovy fa raha manaraka izao soson-kevitra izao isika Malagasy dia hain’Andriamanitra no manolo ny mpitondra tsy mahomby rehetra amin’ny fomba tsy takatrin’ny saina, tsy maintsy mivaha ny olana rehafa mivavaka isika, koa dia mahereza daholo ary , ary miala tsiny amin’ny taratasy somary lava.
Mpitily
13/05/2008 ___________________________________________________
RAHARAHAM-PIRENENA
KIANJAN’NY 13 MEY
Hatsangana ny lapan’ny tanana, 36 taona taorian’ny nahamay azy
Hatsangana indray ny lapan’ny tanàna etsy amin’ny kianjan’ny 13 mey rehefa rava teo nandritra ny 36 taona . Roa taona ny hamitana azy . Ny sabotsy izao no hatsangana ny tsangambaton’ny fanorenana
Ny sabotsy 17 mey izao no hapetraka voalohany etsy amin’ny kianjan’ny fahaleovantena, etsy Analakely ny tsangambato ho fananganana indray ny lapan’ny tanàna.
Mitentina ar 240 tapitrisa no ho tetibidin’izany fananganana ny lapan’ny tanàna vaovao izany ary haharitra roa taona ny fetra fanamboarana izany, izany hoe ny taona 2009 no hotokanana. Ho an’ny ben’ny tanàna Andry Rajoelina dia “tokony homena ny lanjany ny renivohitr’I Madagasikara. Ny renivohitra rehetra eran-tany dia manana ny Lapan’ny tanànany avokoa , koa rariny raha mahazo ny anjarany ny eto Antananarivo na dia tsy tao anatin’ny toky nomeko tamin’ny fampielezan-kevitra aza”. Fiteniny hatrany moa ny hoe “ tsy maintsy ataontsika mamiratra ny tanàna” mmikasika ny mpamatsy vola sy ny orinasa handray an-tanana ny fanamboarana dia nilaza ny tenany fa “amin’io fotoana hametrahana ny tsangambato io no hampahafantarina ny mombamomba azy”. Na ny renivohi-paritany rehetra tokoa aza moa aza dia efa samy manana ny Lapan’ny tanànany avokoa. Tokony ho ny 13 mey izao no nametrahana ity tsangambato voalohany ity.
Nandray fepetra anefa ny ben’ny tanàna sy ireo mpiara-miasa akaiky aminy fa “hahaemotra ny Sabotsy 17 mey ny fotoana, sao misy mihevitra sy mandray izany ho resaka politika indray”. Tsy azo lavina ihany koa anefa ny mety ho fanararaotan’ny mpanao politika ity fanombohan’ny asa ity.
Miteny ny isa36
Tamin’ny taona 1936 no notokanana voalohany ny lapan’ny tanàna teo amin’ny araben’ny fahaleovantena tetsy Analakely. 36 taona taorian’io dia raikitra ny fihetsiketsehana, ny 13 mey 1972, ka may tsy nisy noraisina izy io. 36 taona aty aorian’ny nahamay azy, 13 mey 2008 dia nanapa-kevitra ny ben’ny tanànan’Antananarivo fa hatsangana indray ity lapan’ny tanàna ity. Araka ny fanazavana dia “trano tena raitra sy manara-penitra tanteraka no hapetraka etsy amin’ny kianjan’ny fahaleovantena”.
Araka ny heviny koa dia “tsara ny nandraisanay mpiara-miasa fanapahan-kevitra tamin’ny fanemorana ny 13 mey satria fahatsiarovana ny fahapotehany io daty io nefa fananganana sy fanorenana anaty fihavanana no katsahina”.
Patrick Mahefa
------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------
RAHARAHAM-PIRENENA
SERASERAN’NY MPAMAKY ADY AMIN’NY KOLIKOLY
Tsy re loatra intsony ny vokatra avy amin’ny Bianco
Miarahaba antsika mpamaky rehetra. Isan’ny nahavelom-panantenana tamin’ity fitondrana ankehiriny ity ny fampanjakana ny “fahamarinana sy fahamasinana” izay filamatra nambaboana ny saim-bahoaka. Dia nitsangana tokoamoa ny birao manokana natokana iadiana amin’ny kolikoly vao niakatra kelikely teo amin’ny fitondrana ny Filoha Ravalomanana. Taorian’ny nitsanganan’ity birao ity, taloha kely toe dia heno matetika mihintsy ny vokatry ny asan’ny “Bianco”. Tamin’izany rehefa miditra birao dia re lava any anatiny any ny sangisangy hoe bedy izahay fa tsy manao kolikoly. Ny mahagaga ankehitriny dia tsy heno firy intsony io sangisangy zaritenany sy ny vokatra azo tsapain-tanana toy ny teo aloha io. Sa ve efa foana ny kolikoly eto Madagasikara? Angamba ataoko fa tsy marina izany.
Ny tena tiana hambara eto anie dia heno lava avy amin’olona mitaraina hoe misy maka vola atsy na aroa mba ho tambin’ny fanaovana asa na zavatra iray. Ny tsy tokony hohadinoin’ny tompon’andraikittra koa aloha dia azo lazaina fa mbola tsy ampy ny olona miasa amin’izany sehatra izany ankehitriny, anefa isika dia maniry mafy ny hampanjaka ny fahamarinana indrindra ny hanafoanana ny kolikoly. Soso-kevitra ary no aroso: ny ankamaroan’ny Malagasy dia matahotra miditra birao no betsaka, indrindra ny hisaringotra amin’ny raharaham- panjakana izany ka na misy azan y tsindry hazolena ataon’ny olona aminy dia aleony mangina sy tsy miteny.
Noho izany heverina fa mahatsaratsara kokoa ny ady atao amin’ny kolikoly eto amin’ny firenena ny fandraisana andraikitra amin’ny alalan’ny fametrahana mpanentana manokana tahaka ny ady atao amin’ny sida. Angamba tsy hita izay tokony tsy aha-mety izany soso- kevitra izany. Saingy miandry ny fanapahan-kevitra raisin’ny fanjakana foibe, indrindra miandry ny tolo-kevitra avy amin’ireo andrim-panjakana mpanao lalàna roa eto amin’ny firenena. Raha tsy ireo mantsy no mandany dia zava-poana ihany ny fanatanterahana izany. Inona tokoa moa no olana raha hijerena mpamatsy vola mihintsy azan y momba izany. Atao tsy misy hafa amin’io ady atao amin’ny VIH SIDA io. Fa koasa ny kolikoly no tena hifotorana.
Rakotondrajandry J.P
------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------
FIARAHA-MONINA
FIFAMATORAM-PIARAHA-MIASA
Mpirahavavy ny kaominina Toamasina sy Le Port, tanàna atsy La Réunion
Matotra ny fiaraha-miasa eo amin’ny kaomin’i Le Port avy atsy amin’ny Nosy La Réunion sy kaominina ambonivohitr’i Toamasina. Delegasiona mafonja avy atsy « Le Port » no tonga tao Toamasina, ny faha 26 avrily lasa teo izay notarihan’ny Ben’ny tanàna lefitra voalohany Michel Séraphine, nisolo tena ny Ben’ny tanàna Yves Langenier. Naharitra efatra andro ny fivahinianana tao an-toerana. Tonga nitsena ireo vahiny ireo teny Ambalamanasa ny Ben’ny tanànan’i Toamasina, Dr Rakotomanana Gervais sy ireo mpiara-miasa aminy. Fitsidihana ara-pomba ofisialy noentina nanamafisana indray ny rohim-piaraha-miasa sy ny fampirahavaviana ny kaominina roa tonta izay efa somary narisarisa nandritra ny fotoana vitsivitsy. Tao anatin’ny fihaonana ihany dia efa nisy ny fifanaovan-tsonia amin’ny fanampiana ny kaominina « Le Port » an’i Toamasina noho ny loza voajanahary nahazo azy, taorian’ny rivodoza Yvan, ka tao amin’ny Lapan’ny tanàna no nanaovana izany. Taratasim- bola mitentina 30 tapitrisa ariary no nomen’ny rahavaviny an’i Toamasina, mba hanarenana ny simba vokatry ny rivodoza.
Nitohy tany Foulpointe indray ny dinik’asa ny alahady 27 avrily, tao amin’ny hotely “Manda Beach”. Nojerena manokana tamin’io ny fomba entina hanarenana ny samba sy ny tetik’asa hanamafisana ny fotodrafitrasa, aorian’ny fanarenana atao mba hisorohana ny mety ho fiantraikan’izany amin’ny fotoanan’ny rivodoza manaraka. Voaresaka nandritra ny dinik’asa ifanaovan’ny roa tonta ihany koa ny hijerena manokana ny fametrahana trano fivoahana eny amoron-dranomasina mba hitsinjovana ny mpizahatany sy ny mpitsangatsangana. Hapetraka ihany koa ny lamina mba hiarovana ny fahadiovan’ny moron-drano.
Tita Aimé
10/05/2008 ___________________________________________________
RAHARAHAM-PIRENENA
TAORIAN’NY FANOVANA NY GOVERNEMANTA
Minisitera vitsivitsy no tsy maintsy hanova ny firafiny
Minisitera goavambe iray no iadidian’ny Praiminisitra Rabemananjara manomboka izao. Lasa misy ny andraikitra roa mitovy eo anivon’ity minisitera roa natambatra ho iray ity. Tsy maintsy hisy noho izany ny fandaminana .
Minisitera vitsivitsy no voatery tsy maintsy hanitsy ny rafitra antanatohatr’izy ireo taorian’ny fanovana ny governemanta farany teo. Tsy maintsy hiroso amin’izay fanitsiana izay ny minisiteran’ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana, izay tantanan’ny Praiminisitra Charles Rabemananjara. Minisitra roa no nitambatra ho iray ary nanome ity minisitra goavambe ity. I Gervais Rokotonirina, sekretara jeneralin’ity minisitera ity dia miaiky fa “tokony hisy ny fanitsiana ny firafitry ny minisitera”. “Lasa misy roa ireo sampan-draharaha sasany noho ny fitambarana minisitera roa ho iray ka tsy maintsy misy fandrindrana izany”, hoy izy.
Ny minisiteran’ny Fanavaozana ny fananan-tany, ny fananan-tany sy ny fanajariana ny tany izay minisitera vaovao vao natsangana dia tsy maintsy hamaritra rafitra antanatohatra ihany koa. “Eo am-panamboarana izay indrindra izahay amin’izao fotoana izao. Ary io no vaindohan-draharaha”, hoy ny minisitra Ratolojanahary Marius. Tena anisan’ny iankinan’ny fampandrosoana, araka ny notsindrian’ny filoham-pirenena ny fananantany ary antony nananganana ity minisitera iray ity. Etsy an-danin’ireo saingy tsy dia misy ifandraisany loatra amin’ny fiovan’ny governemanta farany teo, dia efa niroso tamin’ny fanitsiana ny rafitra antanatohotra izay ihany koa ny minisiteran’ny Fitsarana. Nankatoavin’ny Filankevitry ny governemanta ny 5 mey teo izany.
Ny sampan-draharaha fanohanana ireo fandaharan’asa noanisan’ny nohamafisina eo anivon’ity minisitera iray ity, raha nohalefahana kosa ny sampan-draharaha ankapoben’ny fanavaozana. Efa saika vita rahateo ireo fanavaozana lehibe tsy maintsy notanterahina teo anivon’ny minisitera, tahaka ny fanavaozana ireo lalàna isan-karazany na ihany koa ny fametrahana ny Filankevitra Ambony momba ny mpitsara.
MR
------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------
RAHARAHAM-PIRENENA
MINISITERA ROA NO MITADY SEKRETERA JENERALY
Manao antso hifantenana ireo olona liana ho eo amin’ny toeran’ny sekreteran’ny Fitsarana amin’izao fotoana ny eo anivon’ny fiadidiana ny praiminisitra. Hanaraka foafanana any amin’ny oniversiten’ I Harvard any Etazonia ny sekretera jeneralin’ity minisitera ity ankehitriny, Harotsilavo Rakotoson manomboka ny 10 jolay ho avy izao. Fiofanana amam- bolana maro no harahina any an-toerana ka izay no antony nanaovana ny antso ho an’izay maniry ny hisahana ny andraikitry ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Fitsarana izay.
Enim-bolana ihany mantsy fara fahabetsany no fe- potoana ahafahana mametraka mpisolo toerana vonjimaika eo amin’ny toerana ambony tahaka itony. Mbola handalo sivana maro ireo olona liana amin’ity toeran’ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Fitsarana ity, tahaka ny efa natao tamin’ny fisafidianana ireo sekretera jeneralina minisitera rehetra.
Tsy maintsy mahafeno ireo masontsivana maro izay napetraka ny kandidà iray toy ny fananana mari-pahaizana avy amin’ny ambaratonga ambony 5 taona taorian’ny Bacc, ny fahfantarany tsar any MAP sy ny tontolon’ny fitsarana sy ny fonja amin’ny ankapobeny, na ihany koa ny fananana fahaizana manokana amin’ny fitarihana olona. Hisy ny fanadikadinana indroa miantoana izay voatsonga ao anatin’ny fanendrena izay olona voatazona farany eo anivon’ny Filankevitry ny minisitra. Mbola banga ihany koa ny toeran’ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Fanavaozana ny fananantany, ny fananantany ary ny fanajariana ny tany, izay minisitera vao natsangana tamin’ity governemanta Rabemananjara fahatelo ity.
“Aorian’ny fandaminana ny minisitera dia hirosoana fitadiavana izay ho sekretera jeneraly izay”, araka ny nambaran’ny minisitra tompon’andraikitra. Ankoatran’ireo dia mbola miantsoroka ny andraikitry ny sekretera jeneralin’ny ministeran’ny Atintany sy ny Fitsinjaram- pahefana izay minisitera roa, natambatra ho iray aloha hatreto ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Atintany, Gervais Rakotonirina.
MR
------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------
SAMIHAFA
SERASERAN’NY MPAMAKY
Aleo potsirina ny vay maharary
Mahavariana ihany ny mandinika ny zava-misy eto amin’ny firenentsika. Asa na mbola manana anjara toerana kely, na dia iray dia monja aza, eto amintsika ny “Fahamarinana sy Fahamarinana”. Raha ny fahitana azy mantsy dia toa karazany noetin’ny mpitondra nanababoana ny fon’ny vahoaka sy ny hanagalana seza fotsiny izany. Raha mbola misy na dia kely fotsiiny aza mantsy io “Fahamarinana sy Fahamasinana” io, dia angamba tsy ho fanjakan’ny be sadry sy be vola ary fivangongoam-pahefana tahaka izao no misy eto Madagasikara. Ny valalabemandry dia tena sahirana , mihantra amin’ny ankalana hoy ny fitenenana.
Na dia tsy te hiasa loha amin’izay resaka politika aza noho ny hamafin’ny fiainana dia toa “tsy takona afenina toy ny tafika andrefa-tanàna ny zava-misy” . Ny fantatra hatramin’izay rehefa misy fifandimbiasan-toerana eo amin’ny tompon’andraikitra ambony eto amin’ny firenena dia tsy fandre loatra ny filazana ny zavatra tsy nety na tsy ampy, nataon’ny teo aloha fa dia mangina fotsiny na milaza fa hanohy ny asa vitan’ilay nodimbiasany izy ireny. Ny filazana ny tsy mety anefa , tahaka ny fanehoana ny mety ihany koa , araka ny fandinihanay dia mety hahatsara zavatra .Satria, voalohany indrindra aloha dia mahatonga ny tsirairay hitandrina amin’ny asany sao afa- baraka izany . Faharoa indray dia mahatonag ilay vao niditra hivoatra amin’ny asa, sao tsarain’ny olona amin’ny zavatra nitsarany ny hafa.
Koa araka ny hevitray izay tiana hampitaina amin’ny mpitonra ambony dia ny hoe aleo hilaza ny marina sy ny tsy mety tahaka ny nation- dRadavidson Andriamparany ireny. Ireo minisitra mifampisolo, aza atao kitranoantrano ny fitantanan-draharaham-panjakana fa aleo hangarahara, mba hahasitrana ny fery mantsy dia aleo potsirina ny vay na maharary aza, mihafy kely dia hanana ny soa. Koa atsipy re ny teny eny an-tandroky ny omby, ary aza hadinoina koa fa ny Hendry ihany no mahay mandray anatra.
Razanabelo Tsiadana
------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------
FIARAHA-MONINA
HIJERY NY ANKIZY
Ho avy eto amintsika ny printsy vavin’I Norvezy
Ny alin’ny 11 mey ho avy izao no higadona eny amin’ny seranam-piaramanidina iraisam- pirenena ivato ny Printsy vavin’ny Norvezy, Martha Louise. Hitohy hatramin’ny 14 mey izany fitsidihana eto Madagasikara izany, ka hisongadina mandritra ny diany ny fijerena manokana ireo ankizy eo amin’ny tontolon’ny famakiam-boky. Hanentana manokana ny famonkarana boky natokana ho an’ny ankizy ihany koa ity Printsy vavin’I Norvezy ity. 37 taona I Son Altesse Madame la Princesse Martha Louise avy amin’ny fanjakana Norvezy, ary niteraka roa .
Nanolo-tena ho mpiaro sy ho fampiroboroboana ny fahazazana ny tenany teo anoloan’ny sampan’ny Firenena Mikambany misahana ny reny sy ny zaza (Unicef). Izy ihany no anisan’ny “angady nananana sy vy nahitana” ny fanampiana ny lafiny vola avy amin’ny komity norvezianina ho an’ny Unicef, mba hampivelarana ny hetsika famakiana boky sy famokarana boky natokana ho an’ny ankizy kely taona eto Madagasikara. Hatao amin’ny fiteny Malagasy ary hampifanarahana amin’ny kolontsaina Malagasy ireo boky ireo. Mandritra izao fitsidihan’ny Printsy vavin’I Norvezy eto amintsika izao rahateo no hanombohana ilay fifaninanam-pirenena amin’ny famokaram-boky antsoina hoe “ny zaza no anoratako”. Ny fandalovany any Ambatolampikely, disitrikan’I Manjakandriana, no hisantarana io fifaninanana io.
RR
09/05/2008 ___________________________________________________
RAHARAHAM-PIRENENA
FIVORIAN’NY PARLEMANTA
Tsy mbola tazana ny lalanà mifehy ny fifidianana vaovao.
Tsy mbola ao anatin’ny fandaharam-potoanan‘ny parlemanta ho amin’ity taom-pivoriana voalohany ity ny fandinihana ny tolo-dalàna mifehy ny fifidianana, raha ity volana mey ity no daty notondroin’ny filoham-pirenena fa hirosoana amin’ny fanitsiana izany lalàm-pifidianana izay.
Ny praiminisitra Charles Rabemananjara, etsy an-daniny dia efa nampita tamin’ireo mpiara- miasa aminy ihany koa fa ny fanitsiana ny lalàm-pifidianana indray no dingana manaraka taorian’ireo fifidianana.
Ny depiote Olivier Donat Andriamahefaparany no nanamarika fa «tsy ho tratra ny fandinihana ny lalàna mifehy ny fifidianana izay raha amin’ity taom-pivoriana ity”. «Raha ny fiheverako manokana dia mbola mila fakana ny hevitr’olona maro izany ary mbola mety handany hatrany amin’ny efa-bolana ihany ny fikonokononana ao anatin-izany. Sarotsarotra ihany araka izany ny hahatafita azy eny amin’ny parlemanta amin’izao fotoam-pivoriana voalohany izao, hoy ity depiote Tim ity.
Ny loholona Naika Eliane, mpitarika ny vondrona parlemanta Tim eny anivon’ny Antenimierandoholona dia nanamafy ihany koa fa «tsy mbola misy resaka aloha manodidina ny fanitsiana ny lalàna mifehy ny fifidianana ity hatreto, tsy mbola nandinika mikasika izany izahay », hoy ity farany.
Ankoatra ny volavolan-dalàm-panitsiana ny tetibola 2008, izay isan’ireo hodinihan’ny parlemanta amin’ity fotoam-pivoriana ara-potoana voalohany ity, dia hanan-danja manokana ny fametrahana ny lalàna amahana ny olana ara-tsakafo, izay efa manomboka miseho maneran-tany. Etsy an-danin’izay dia heveriina fa tsy maintsy hisy ihany koa ny fanitsiana ny lalna mahakasika ny faritra, izay tsy dia mifanaraka amin’ny zava-misy iainana ankehitriny intsny ny ankamaroan’ny andininy.
Andrasana koa ny fandaniana ny lalàna fehizoro mikasika ny fandaminana sy ny fampandehanan-draharaha eo anivon’ny Antenimierampirenena. Efatapaka omaly moa ny fandaharam-potoana momba ny fivoriana eny Tsimbazaza amin’ity volana meyity, ka tao anatin’izayno nahafantarana fa amin’ny 29 mey no hihaonan’ny depiote amin’ny mpikambanaao amin’ny governemanta.
MR
------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------
RAHARAHAM-PIRENENA
TONGA NIVORY TENY TSIMBAZAZA
Nanidy vava I Zakahely Boniface
Mody fanina. Isan’ireo depiote nanatrika ny lanonana fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny fotoam-pivoriana voalohan’ny Antenimierampirenena teny Tsimbazaza ny depiote vofidy tany Mananara Avaratra, Zakahely Boniface omaly. “Fivorian’ny solotenan’ny vahoaka ity ary izaho solotenan’ny vahoaka avy any Mananara Avaratra ka hamonjy fivoriana no hahatongavako aty”, hoy avy hatrany izy raha namely ny fanontanian’ny mpanao gazety .
Nilaza ho tsy mahalala na inona na inona mihitsy mikasika ny fanamelohan’ ny Fitsarana azy 30 volana an-tranomaizina sazy mihatra ity farany “ tsy haiko ny mikasika an’ izany ary tsy misy zavatra fantatro”, hoy izy nanantitrantitra ary nisafidy ny tsy hanambara na inona na inona.
Andro vitsivitsy taorian’ny fivoahan’ny didy avy amin’ny fitsarana tampony nanamafy ny didy nanameloka an’I Zakahely Boniface, dia nampahafantatra ny fandefasan’ny birao maharitry ny Antenimierampirenena iraka nakany Mananara Avaratra ny filoha lefitra faharoan’ny Antenimierampirenena Tsitohery Avison. Raha nanontaniana anefa ny filoha lefitra voalohan’ny Antenimierampirenena, Rakotomalala François Emile, omaly talata teny Tsimbazaza dia nilaza fa “mbola tsy misy tohiny ity raharaha ity” “eo am-pelatanan’ny Fitsarana iny raharaha iny amin’izao fotoana izao”, hoy ihany izy nanambara fa tsy mbola misy hetsika manokana hataon’ny birao maharitry ny Antenimierampirenena.
Ny zava-misy aloha dia tsy mbola nisy ny fisamborana ity depiote voafidy tany Mananara Avaratra ity hatreto ary mampiseho fahatoniana tanteraka ny lehilahy. Ny minisitry ny fitsarana Bakolalao Ramanandraibe no efa “nanambara fa tsy mijanona akory ity raharaha ity fa manaraka ny fombafomba rehetra amin’ny fampiharana ny didy navoakan’ny Fitsarana.
MR
------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------
SAMIHAFA
AR 6 MILIARA VOAHODINA
Notsaraina I David Rajaon Alisata
Hitohy anio ny fitsarana ny raharaha mahakasika ny talen’ny Fid teo aloha, Rajaon David Alisata, sy ireo mpiara-miasa aminy izay noampangaina ho nanodikodina volam-panjakana ar 6200 tapitrisa tokony hananganana sekoly teo anelanelan’ny taona 2004 sy 2006.
15 mianadahy izy ireo no tsaraina ao anatin’ity raharaha ity izay nahitana mpiasa avy ao amin’ny Hexaport, orinasa niara-niasa tamin’ny Fid tamin’ny fanatanterahana ny tetikasa EPT (Education Pour Tous). 11 tamin’ireo voampanga ihany no vita fihainoana teo anatrehan’ny fitsarana ady heloka bevava omaly. Ary mbola iampangana an’I David Rajaon ny fitanana ny tombotsoa manokana, izay nampidirana havana tao amin’ny Hexaport sy ny fisandohana ny andraikitry ny mpandrindra nasionaly noentina nanaovana sonia taratasy isan-karazany .
Naharitra adiny roa sy sasany be izao, ny tapak’ andro maraina, ny famakiana ny taratasim- piampangana azy 15 mianadahy. Ny tolakandro vao tena nanomboka ny fanadinana azy ireo. Samy nandà ny fiampangana azy moa ireto voampanga. I David Rajaon dia nilaza fa ailika any aminy avokoa ny rihitra rehetra mikasika ity raharaha ity.
HNA
------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------
FIARAHA-MONINA
70 NO TONGA TETSY ISOTRY
Nanomboka ny fanofanana ireo mpivaro-kena
Miroso ny fampiofanana momba ny fahadiovana ny tsena manara-penitra omena ireo mpivaro-kena ara-dalàna eto an-drenivohitra. Toeram-pivarotan-kena 18 no hifandimby ho etsy amin’ny BMH hatrami’ny 19 mey ho avy izao .
Hifandimby hiatrika ny fampiofanana momba ny fahadiovana eny amin’ny fivarotan-kena ireo mpivaro-kena an-jatony manerana ny tsena 18 eto an-drenivohitra. Ny talata 06 mey lasa teo no niatombohan’ity fampiofanana ity ka ny mpivarokena avy eny Ambohimanarina no nisantatra izany. Omaly tolakandro dia mpivarokena nanodidina ny 70 teo ho eo, avy amin’ny tsenan’Isotry sy coum 67 ha no tonga namely ny antso tetsy amin’ny birao monisipaly misahana ny fahadiovana na BMH tetsy Isotry. Mpivaro-kena iray monja kosa no nisolo tena ny avy etsy amin’ny tsena Petite vitesse. Niarahan’ny olon’ny BMH sy ny fikambanana tsy miankina “Eau –Agriculture-Santé en milieu tropical” na ONG East ity fampiofanana ireo mpivarokena ity. Voalazan-dRakotomiraho Ndriana, avy amin’ny ONG East, fa nakatoavin’ireo mpivaro-kena ny fanaovana izao fanofanana izao. “Maharitra adiny roa mahery kely eo ny fotoam-piofanana isan’andro. Ny 19 mey ho avy izao no hifarana ny anjaran’ireo tsena rehetra miisa 18 manerana ny renivohitra. Tsara ho marihina fa fankatoavana avy amin’ny kaominina no nahafahanay mandry anjara amin’ny fampiofanana” hoy izy.
Taratasy fanamarihana
Nambaran’ny mpampiofana avy ao amin’ny BMH kosa fa hisyny fizarana taratasy fanamarihana ny fahavitan’io fiofanana ho an’ireo mpivaro-kena tena nanatrika ny fotoana hatramin’ny farany. “Ho entitra ihany koa ny fanaraha-maso aorian’izany, ka sazy avy hatrany no miandry ireo tsy manara-dalàna, toy ny rainizavona sy ny tsy mpandoa patanty.
Ny fampiharana ny fiofanana noraisin’izy ireo tetoindray dia tsy maintsy hita taratra avy hatrany amin’ny toetram-pivarotan-kenan’izy ireo”, araka ny fanamarihan’ny mpampiofana Ho an’I Patrick, lehiben’ny tsenan’Isotry manokana dia inoana fa hanamafy ny fanarahana ny fenitry ny fanadiovana efa tazana tamin’ireo mpivarokena 30 ao amin-dry zareo izao fampiofanana izao. Saika nampahafantarina ireo mpivaro-kena tonga tetsy amin’ny BMH Isotry avokoa ny ny lalàna mifehy ny fivarotan-kena na ny fepetra tsy maintsy raisina mba hampanaraham-penitra ny olona mivarotra sy ny fitaovana ary ny hena hamidy…
RINA RASOAVA
08/05/2008 ___________________________________________________
RAHARAHAM-PIRENENA
ANTENIMIERANDOHOLONA
Nanaiky ny ho loholona tsotra I Rajemison, lasa filoha I Yvan
Hita ho maloka ihany Rajemison Rakotomaharo, teny Anosikely, omaly atoandro tamin’ny fotoana nifidianana izay ho Filohan’ny Sénat . “Ifandimbiasana ny toerana”, hoy izy.
Voatery namerina fanindrony ny fehezanteniny ny loholona zokiolona indrindra, Razafiarison René raha nandiso ny anaran’I Yvan Randriasandratriniony teo am-panambarana ny vokatry ny latsa-bato nataon’ireo loholona omaly atoandro teny Anosikely.
Nazava anefa fa ireo loholona 33 tamin’ny 33 no nifidy ity Filoha nasionaly vonjimaikan’ny antoko Tiako I Madagasikara ity ho eo amin’ny toeran’ny filohan’ny Antenimierandoholona.
Teny amin’ny lanonam-panokafana ny fivoriana ara-potoana voalohan’ny Antenimierampirenena teny Tsimbazaza ny maraina dia efa hita taratra ihany ny hipetrahan’i Yvan Randriasandratriniony eo amin’ny toeran’ny filohan’ny Antenimierandoholona izay .
Mbola nisalotra io anaram-boninahitra io Rajemison Rakotomaharo tamin’io fotoana teny Tsimbazaza io.
Fandaminana anatiny
Tazana teny akaikin’ireo minisitra sy ireo vahiny manan-kaja hafa toy ireo masoivoho vahiny ihany koa anefa ny loholona Yvan Randriasandratriniony, “solotenan’ireo loholona” no nilazan’ny filohan’ny Antenimierampirenena, Jacques Sylla azy.
Minitra vitsy ihany arak’izany no nisy fitaintainana teny Anosikely fa raha vantany vao nangataka fitenenana ny loholona Rajemison Rakotomaharo ary nanambara fa misolo tena ny vondrona parlemanta Tim, izay nanolotra an’I Yvan Randriasandratriniony ho filohan’ny Antenimierandoholona dia efa nazava ny resaka. Ny vondrona parlemanta “Fiaraha- mientana ho amin’ny fampandrosoana an’I Madagasikara” izay ivondronan’ireo loholona notendren’ny Filoham-pirenena, afa-tsy i Naika Eliane, dia naneho avy hatrany rahateo ny fanaon’izy ireo ny filatsahan-kofian’ity kandidà natolotry ny Tim ity.
“Am-panetren-tena sy am-pirahalahiana no hanolorako ny kandidà atolotry ny Tim ho eo amin’ny toeran’ny filohan’ny Antenimierandoholona” hoy Rajemison Rakotomaharo teo am- panolorana an’I Yvan Randriasandratriniony. Hita ho maloka endrika ihany anefa ny tenany teo am-pitoerana. Tsy dia velon-tsiky ihany koa ary nisy fotoana mihitsy tsy nitehafany rehefa nitehaka ny akamaroan’ireo loholona tamin’ny fotoana nipetrahan’I Yvan Randriasandratriniony teny amin’ny toeran’ny filoha.
“Tsotra ny antony tsy nilatsahako satria misy fandaminana anatiny ny Tim” hoy ny loholona Rajemison Rakotomaharo raha nitafa tamin’ny mpanao gazety. Ny tenin’ny filoham-pirenena izay nilaza fa “tsy tokony hifikitra amin’ny toerana iray ny mpitondra fanjakana rehetra” no nanazavany ny fihetsiny “ifandimbiasana ny toerana” hoy izy.
“Fintantanana sy tondro avy amin’ilay Nahary” no nilazan’ny filoha vaovao ny nahatongavany eo amin’ny toerany raha vao nandray fitenenana ny tenany taorian’ny latsa-bato. Ny tsy miafina dia ny tompon’ny ny fahefana lehibe ao amin’ny Tim no niavian’ny fanapahan-kevitra. Ny tenany ihany rahateo no nanamafy nanoloana ny mpanao gazety raha nanazava ny antony nandrotsahana azy fa “misy fifamatorana lehibe mihitsy eo anivon’ny antoko ary fanapahan- kevitra ny birao politika io ka manaraka ny rehetra”.
Mifanohitra amin’izany ny voalazan’ireo lohandohan’ny mpisorona eo anivon’ny birao politikan’ny Tiako I Madagasikara ny alatsinainy izay nanamafy fa “tsy nanolotra anarana izy ireo nandritra ny fivoriana teny Ankorondrano”.
Sadaikatra ihany, araka izany I Yvan Randriasandratriniony raha nanontaniana ny fotoana nifampidinihana sy nanapahana ny amin’izay ho Filohan’ny Antenimierandoholona. “Misy ihany ny zavatra tsy azo ambara”, hoy fotsiny izy .
Ity Filohan’ny Antenimierandoholona ity aloha dia nanizingizina fa tsy mametraka olana eo amin’ny samy Tim ny nahatonga azy eo amin’io toerana io. “Tsy misy ny olana fa isika ihany no mamorona olana indraindray”, hoy izy. Nanambara rahateo ity farany fa “ho Filohan’ny loholona rehetra ary misokatra amin’ny fifanakalozan-kevitra”.
MR
------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------
RAHARAHAM-PIRENENA
FIVORIAN’NY ANTENIMIERAMPIRENENA
Nandamindamin-dresaka I Jaques Sylla
Tsy tahaka ny tamin’ny kabary nataony farany tamin’ny fanombohan’ny fivoriana ara-potoana faharoan’ny Antenimierampirenena, Jaques Sylla omaly nandritra ny lanonana fanokafana ny fotoam-pivoriana voalohan’ity andrim-panjakana ity ho an’ny taona 2008.
Saika niompana tamin’ny fanaovana jery todika ireo zavabita tamin’iny taona 2007 iny teo anivin’ny Antenimierampirenena ihany ny lahateny io omaly io. Namantsapatsaka ny mpanatanteraka mihitsy anefa ity filohan’ny Antenimierampirenena ity tamin’ny kabary farany nataony.
Notsikerainy tamin’izay ny fidangan’ny vidim-piainana sy ny fahakelezan’ny fahefa-mividn’ny vahoaka « aoka tsy ny vahoaka no andrasana hitaky fa mety hanahirana » hoy izy raha nipetraka teo amin’ny toerana maha-solom-bavambahoaka azy tamin’io fotoana io. Maro no niandry ny hanaovan’i Jacques Sylla tombanezaka ny zavatra tontosa teo anelanelan’izay fotoana izay omaly . Tsy nisy anefa izany.
Ny hany resaka nataony mahakasika ny governemanta dia ny fisaorana ny governemanta « noho ny fanampian’izy ireo tao anatin’ny fotoana faran’izay haingana ireo traboina noho ny fandalovan’ny rivo-doza ». Tsy nisy resaka ihany koa ny fikasana hanongana ity filohan’ny Antenimierampirenena ity omaly .
MR
------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------
SAMIHAFA
NOSY MAORISY
Tantsabo malagasy tratra nitondra rongony
Tantsambo dimy mirahalahy no sarona nanafina rongony , tao amin’ny sambo mpanjono iray tany Maorisy. Ny efatra amin’ireo dia teratany Malagasy. Fantatra fa efa an-taonany maro no nanaovan’izy ireo varo-maizina .
Saron’ny polisy nitondra rongony tao “Port Louis”, Nosy Maorisy, ny faran’ny herinandro teo, ny tatsambo Malagasy efatra sy teratany Seseloà iray. Samy miasa amin’ny sambo mpanjono antsoina hoe “betou”, izy ireo ary fantatra fa efa zatra mitondra zava- mahadomelina, toy ny rongony any amin’ity Nosy rahavavy ity. Araka ny fanadihadiana voaray tamin’ny alalan’ny antso an-tariby avy amin’ny kapiteny lefitr’ity sambo ity, izay terantany Malagasy ihany dia anio Alarobia no hiakatra ny fampanoavana misahana ny ady heloka bevava any an-toerana izy dimy lahy voarohirohy ireo. Heloka bevava mantsy ny raharahan- drongony any Maorisy.
“60-100 Roupie”
Raha ny ao Toamasina indray dia efa in-droa no nahatratraran’ny polisy misahana ny ady heloka bevava, etsy amin’ny faritany teo aloha, ny fikasana hampiditra rongony ranony “goudron” tao amin’ny club nautique. Loharanom-baovao marim-pototra no nahatratrarana ny asan’ireto tantsambo Malagasy nitondra rongony ireto. Araka ny fantatra ihany dia efa fanaon’izy ireo ny manao izao fanondranana an-tsokosoko toy izao noho ny fananany mpanara-maso ny fidiran’ny entana ao amin’ny seranan-tsambo ao Toamasina, hany ka tsy misy ny fisavana. Misy tambiny izany rehefa tafaverina mandray ny asany ireto mpanjono Malagasy miasa amin’ity sambo ity.
Lafo dia lafo ny vidin’ny rongony any Maorisy arakany re fotiny ohtra dia hamidy 60 ka hatramin’ny 100Roupie, ny fonosana iray, arakaraka ny karazany, ao koa anefa ireo atakalo entana. Niainga tamin’ny fahatratrarana ny mpivarotra azy ny fiandohan’ny fisamborana azy dimy lahy, terantany Malagasy ihany ny mpivarotra. Sarona tamin’izany izy ka teo no nilazany fa ny sefo mpikirakira ny lafiny mekanika no tompony, dia ilay terantany Seseloà. Nandritra ny fisavana nataon’ny polisy ny tao anty sambo anefa, dia tsy tratra ity farany fa ireo terantany Malagasy roa kosa no sarona tao. Izy ireo avy eo no nilaza ny toerana fametrahana ilay zava- mahadomelina.
16 taona izay
Nandà ho tsy mahafantatra ny fisian’ity zava-mahadomelina ity tao anaty sambo noho izany ilay sefo mekanisianina Seseloà. Ny fanadihadihana no nahalalana fa efa 16 taona amin’izao no nisian’ny fanaovana varo-maizina rongony amin’ireny sambo mpanjono ireny, izany hoe efa nanomboka tamin’ny taona 1992. Anisan’ny antony hampiasan’ ireto kompania ireto ny mpanjono Malagasy noho izy mora karama, satria vidina 300 ariary hatramin’ny 450 ariary ny kilaon’ny trondro aminn’y mpanjono Malagasy.
Na izany aza dia re fa efa mandray ny andraikiny amin’izao raharaha izao ny masoivohontsika any an-toerana ary efa nitsidika ireo terantanyMalagasy eny amin’ny paositry ny polisy itazonana azy ireo. Tsy mahatoky tena anefa ireto Malagasy namana ireto satria naka mpiaro azy manokana ilay terantany Seseloà, noho izy manam-bola, raka ny filazan’ireo namany any Maorisy ihany.
TITA AIME